<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>685</hymn_number>
<title>Matokia mpivahiny! FFPM685</title>
<lyrics>[V1]
 Matokia, mpivahiny !
 Any an-tanàna arý
 Misy trano soa madio
 Mandrosoa hianao :
 Misy fitsaharana any,
 Matokia hianao ;
 Misy fitsaharana any,
 Izay ho azonao.

[V2]
 Ao ny Tomponao miandry
 Hanome anao ny soa ;
 Misy fiadanana any
 Voavoatra ho anao :
 Misy fitsaharana ..sns.

[V3]
 Any tsy mba misy rofy
 Amam-panaintainana ;
 Izay rehetra tonga any
 Afa-pahoriana
 Misy fitsaharana ..sns.

[V4]
 Tsy mba mamy va ny mody
 Mba ho afa-tsatsatra
 Sy horaisin'i Jesosy
 Amim-piadanana ?
 Misy fitsaharana ..sns.</lyrics>
</song>